|
|
|
|

Entry1  Midona moramora
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4 Ny Avana
Full text  5 
6  Midona moramora
7  Ny any Ankaratra any;
8  Manembona isan'ora
9  Izay mandre izany.

10  Ny zavona mamono
11  Ilay Ambohimiangara,
12  Fa manina azy, hono,
13  Ny tiana, hany zara.

14  Manombana ho avy
15  Ny any Ambohimanoa;
16  Ny ranomasoko avy
17  No indray mirotsa-droa.

18  Mijojo vao maraina
19  Ilay Angavokely;
20  Ny alahelon-tsaina
21  Tsy hita velively.

22  Maneri-takariva
23  Ny eny Andringitra eny;
24  Ka dia " Mahatsiahiva "
25  No voalohan-teny.

26  Tomanitany lava
27  Ny fody eny Imanga.
28  Ny sento tsy misava.
29  Ny tiana tsy mitranga.

30  Tataovan-drahomanga
31  Iarivo indraindray;
32  Ireny miampanga
33  Fa manina izahay.

34  Veloma indrindra àry,
35  Veloma tsy doria;
36  Ka enga tsy harary,
37  Ry tiana sady tia.

38  Veloma mahatsiahy
39  No sisa holazaina.
40  Mandreraka fanahy
41  Ny ranomason-tsaina.

42  Tsahivo anefa izao
43  Ny fara tononkira:
44  Ny sora-tananao
45  No hany " sovenira " .

Updated on 2025/11/17